Lisea HR Daniel Ambohipanja

“Azo hamokarana asa tsara ny taranja siantifika”


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Rehefa miezaka dia mahita fahombiazana, hoy ny eo anivon’ny lisea HR Daniel Ambohipanja, Ankadikely Ilafy. Izahay moa tsy manana afa tsy safidy na “série” siantifika, hoy ireo mpitantana.

Nanomboka anio (TTF: omaly) ny fidirana ankapobeny na “rentrée solennelle” izay nampahafantarana ireo ray aman-dreny ny tokony ho toe-tsaina sy toetra entin’ireo mpianatra miatrika fahalalàna aty amin’ny kolejy sy lisea. Ho an’ny ambaratonga fototra kosa dia mianatra manomboka ny alakamisy maraina. Rehefa tonga ny fandaminana voaray eo anivon’ny fanjakana dia miverina mianatra marain-tsy hariva ny mpianatra. Ny nahatonga ny safidy hoe siantifika moa dia satria siantifika izahay 3 mirahalahy mpitantana. Ny fampiharana ny fahalalana misy eto amin’ny sekoly dia efa hananana ireo fitaovana ahafahana mampitodika ireo mpianatra ho any amin’izay safidy siantifika izay. 30% teo ny taham-pahafahana Bakalorea. Tsy manamaivan-danja ny taranja literera anefa ny sekoly. Mila hampahafantarina ny ray aman-dreny fa azo anohizana fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony sy hamokarana asa tsara ny taranja siantifika. Misy mihevitra fa mora ny taranja literera nefa tena isan’ny sarotra aza. Mahazo Bacc literera ilay mpianatra dia tampina indray ny lalany satria misy zotram-pianarana izay tsy hahafahany manohy ambaratonga ambony. Izay ihany koa no anton’ilay safidy mba amin’izay rehefa mahazo Bakalorea siantifika ilay mpianatra dia mivelatra kokoa ny safidy. Iny moa izany teo nisy fivoahana laza adina. Ny fijerinay azy dia ny vy tsy mikitrana irery. Ny anay ny mpianatra dia ampianarinay no zava-dehibe mba ho tena hainy ny zavatra ampianarina azy. Ny kilasy faharoa sy voalohany na “seconde” sy “première” izao miditra amin’ny 5 septambra fa ny famaranana kosa niditra anio. Ireo mpianatra sy ray aman-dreny miandry fahagagana amin’ny farany no mety miandry fivoahana laza adina mialohan’ny fotoana fa tsy ny mpianatra tena nianatra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Légende: Ireo mpitantana ny HR Daniel

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT