Fampianarana

Lisea Faravohitra Manomboka anio ny fankalazana ny faha 100 taona


  • Talata 25 Aprily 2023

Nampahafantarina omaly ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra, amin’ny maha lisea azy, izay manomboka anio 25 aprily 2023.

Araka ny nambaran’i Tsiory Rabetokontany, izay filohan’ny fankalazana, dia nanapa-kevitra ireo tomponandraikitra eo anivon’ity lisea miankina amin’ny fanjakana isan’ny ela indrindra teto amin’ny firenena izany fa tsy tokony havela handalo fotsiny izany 100 taona izany. Fampiomanana, hoy izy, no tena tiana atao, na ho an’ny mpianatra fahiny na namana na ray aman-dreny, ny minisitera mpiahy, ny mpitondra fanjakana ambony. Hisy koa ny fakan-kevitra amin’ny namana sy ireo akaiky rehetra. Manomboka ny septambra no tena fankalazana ka hisy hetsika ho ataon’ireo klioba miisa 10 ao amin’ny lisea mandritry ny 10 volana, izany hoe hatramin’ny volana jona 2024, izany hoe hetsika iray ataona klioba iray mandritry ny iray volana avy. Misy sampana fanatanjahantena ao, sary, karate, hira sy ny hafa maro, hoy hatrany izy. Araka ny fanazavan’i Zo Rasolonjatovoniaina, izay tompon’andraikitry ny serasera kosa, dia atomboka amin’ny fotoam-pivavahana izany. Ny 26 aprily, izay ivon’ny fankalazana kosa ny hetsika sakafo arahina fandihizana izay hanasana ny maintimolaly rehetra na mpanabe nandalo teto amin’ny lisea io na ray aman-drenin’ny mpianatra efa teto, ny mpandraharaha rehetra, ny mpampianatra, sy ny mpianatra rehetra dia asaina manokana, hoy izy. Ny jona 2024 no famaranana amin’ny fotoam-pivavahana hatrany, hoy ihany izy, ka hivoaka amin’io ny andiany hamarana izany. Araka ny fanazavan’ny talen’ny lisea, Prisqualine Rabenary, dia lisea filamatra hatrany ity lisea ity, indrindra, tao anatin’ny fampiharana ny fandaharam-pianarana vaovao L, S, OSE. Miisa 1947 moa ankehitriny ny mpianatra ao an-toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT