Fampianarana

Lisea Andohalo Nampiato fampianarana ireo mpampianatra


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Naneho firaisan-kina ireo mpampianatra ao amin'ny Lisea Andohalo eo anatrehan’ilay raharaha fahaverezana finday avo lenta i-phone 11 tao amin’ny kilasy iray,

ka isan’ny tratry ny fanenjehana ny mpampianatra ara-panatanjahantena iray. Nisy ny fanambarana nataon’ireo mpampianatra ao amin’io sekoly io omaly, fa hampiato ny fampianarana izy ireo, ary nanomboka omaly tolakandro io. Tsiahivina fa mpianatra iray no very finday i-phone nandritra ny taranja fanatanjahantena, ka nahazo taratasy fampanantsoana teny amin’ny Borigady misahana ny zaza tsy ampy taona teny Tsaralalana ny mpampianatra iray ny 06 febroary teo. Nisy mpianatra vitsivitsy ihany koa nahazo izany. Voalaza fa rehefa naharay an'io fiantsoana na “convocation” io izy ireo vao nahafantatra ny fisian'ilay finday very. Miray hina miaraka amin’ireo mpiampianatra eny amin’ny Lisea Andaholo kosa ny mpampianatra ny taranja fanatanjahantena rehetra eto Analamanga noho ny naman’izy ireo voasaringotra ao anatin’ny raharaha. Takian'izy ireo ny fialan-tsiny sy fifonana ampahibemaso na “excuse publique” ataon’ny Ray aman-dRenin’ilay mpianatra tompon'ilay finday ary ny hampiakarana Filankevi-pifehezana na CODIS ilay mpianatra. Tsy azo atao ny mitondra finday na zavatra sarobidy any an-tsekoly indrindra raha tsy nampahafantarana, raha ny fampahatsiahivana. Manome 48 ora moa ireto Mpampianatra ireto mikasika an'ireo fitakiana nataony. Tsiahivina fa efa naneho hevitra momba io raharaha io ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ka nanao hoe: “Ny diso voalohany dia ianao ray aman-dreny izay nampitondra izany ny zanakao. Ny diso faharoa dia ianao mpianatra izay nitondra azy sy nandika ny fitsipika mipetraka ao an-tsekoly. Tsy azo atao ny mitondra zavatra sarobidy any an-tsekoly. Mora ny manaraka izany. Raha ilaina ny mampitondra finday ankizy noho ny fiarovana azy dia « téléphone portable basique » omena azy. Aleo samy tomponandraikitra amin’ny nataony. Tsy tokony ahilika any amin’ny sekoly na ny mpampianatra. Tokony hanaiky diso…”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT