LISEA AMBAVAHADITOKANA ITAOSY

Novatsian'ny Ben'ny tanana dabilio vaovao indray


  • Alarobia 08 Oktobra 2025

Mitohy ny ezaka hataon'ny Ben'ny tanana

Ratoetrarinanja Jean Louis amin'ny fikarakarana ireo zana-bahoaka manovo fahalalana eo anivon'ny Lisea Amboatavo, kaominina Ambavahaditokana. Taorin'ireo dabilio miisa 50 efa natolony dia nanolotra dabilio miisa 25 indray ny tenany sy ireo mpanolon-tsain'ny kaominina omaly. Tanjon'ny roa tonta ny mba hahafahan'ireo mpianatra mipetraka tsiroadroa isaky ny dabilio hisorohana ny fahaterena sy ny mety ho fakan-tahaka rehefa manao fanadinana. Miisa 150 mantsy ankehitriny ireo mpianatra ao an-toerana. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ireo Filohan'ny fikambanana Fefi Razafimanantsoa Naina sy ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra izany. Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola manana olana goavana izy ireo amin'ny fampandehanan-draharaha amin'ny andavanandro. Mbola vao 3 fotsiny mantsy ireo mpampianatra karamain'ny Fitondram-panjakana ao amin'ity Lisea vaovao ity. Efa noraisin'ny Ben'ny tanana an-tanàna kosa ny fandoavana ny karaman'ireo mpampianatra Fram miisa 5 raha anjaran'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra ireo miisa 10. Manao antso avo amin'ny Fitondram-panjakana araka izany ny Filohan'ny Fefi mba hijery akaiky izany fahasahiranana lalina hiainan'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra izany indrindra amin'izao hasarotan'ny fiainana izao.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ireo dabilio !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT