Fampianarana

Lehiben’ny governemanta “Tsy rariny ny fandorana birao sy trano fianarana”


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Mikasika ny tranga misy maromaro amin’ny oniversite, dia tsapa fa misy

 

 

 

fandraisana andraikitra takiana amin’ny tompon’andraikitry ny oniversite, hoy ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta omaly. Nahitsy izy naneho, fa tsy rariny ny fisiana fandorana birao sy trano fianarana rehefa misy fitakiana na inona na inona antony. Fitakiana am-panajana no atao, fa tsy famotehana. Mandray andraikitra ny mpitandro filaminana, ary vonona ny hanome tànana ny oniversite tsirairay. Tsy azo ekena ny fanimbana fananana iombonana, hoy izy. Nanao antso avo tamin’ny tompon’andraikitry ny oniversite, raha misy siosio miainga any amin’ireny oniversite, toy ny hoe fikotrehana fandorana ny oniversite. Namporisika ny hametrahana sehatra ifanampiana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny oniversite tsirairay ny praiminisitra Lehiben’ny governemanta omaly. Midika io, fa hihamafy ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro filaminana eo anatrehan’ny hetsi-pitakiana samihafa. Tsy rariny ny fanimbana fananana iombonana, ary rariny ny fanasaziana. Na izany aza, mila jerena ihany koa ny famahana ny olana tsy hiverina matetika, fa tsy hoe hambenana amina basy aman-tafondro tsy hihetsika ny mpianatra eo anatrehan’ny olana efa ho lava tsy voavahan’ny mpitantana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT