Laza Razafiarison mivady

«Efa fantatray hatramin'ny 2003 fa maty ny rafi-pampianarana eto»


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Efatra mianadahy ny zanakay, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

Tsy nisy nampidirinay tany an-tsekoly fa efa fantatray hatramin'ny 2003 fa maty ny «système éducatif» na rafi-pampianarana eto, hoy izy. Nisafidy ny hampianatra azy ireo tao an-trano izahay fa rehefa tonga amin'ny «classe d'examen» na kilasim-panadinana dia manala fanadinana ohatran'ny rehetra ihany. Nanohitra mafy ny manodidina tamin'izany fa izaho moa niasa tamin'ny «Banque mondiale» na banky iraisampirenena ka efa mba nahita maodely tany Washington fa betsaka no manao «home schooling» na fampianarana ao an-trano. Tsy nihemotra aho fa niroso satria fantatro fa sarotra nefa tiako ho porofoina koa hoe nianatra aho. Izaho no nitazona ny taranja informatika ary vao T5 ry zareo dia afaka nahatakatra «Algorithme», nanohy «python», «java script» sy ny tohiny, rehefa miala voly dia manao HTML , CSS , PHP. I Laingo vadiko no nitazona ny «Langue» na tenim-pirenena sy lalàna ary naka mpampianatra hafa izahay tamin'ny taranja hafa efa mahazatra toy ny matematika, fizika, Tajefi. Ny teny malagasy no nentina nampianatra ary ny taranja malagasy no taranja be ora indrindra. Mahafehy teny malagasy tsara ry zareo nefa mahay zavatra maro koa. Miotisoa Razafiarison no voalohany ary afaka bakalorea omaly (TTF: ny zoma teo) ka nahazo «mention assez bien». Mandrindra Razafiarison no faharoa, efa haka baka amin'ny taona hoavy fa tamin'ny naka BEPC izy dia 4 volana no nianatra dia afaka. Manohisoa Razafiarison no fahatelo, afaka BEPC teo, volana martsa izy no niditra nianatra ary nanala BEPC ny jolay. Afaka soa aman-tsara. Mikoja Razafiarison no fahefatra, afaka CEPE teo. Efatra hatramin'ny dimy volana eo no ahavitana ireo programa any amin'ny sekoly fa anaovanay taranja hafa ny ambiny. Ny fianarana gitara sy ny hafa dia manome fahalalana fototra aho dia tohizana «en ligne» na fampitan-davitra ary efa mitendry mahay noho izaho ry zareo izao. Fehiny, efa nandramanay ilay zavatra hatolotra ny malagasy raha fanabeazana no resahina fa tsy nofinofy akory, hoy hatrany i Laza Razafiarison mivady.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT