LAZA ADINA CEPE

Efa vita ny fanamboarana isam-paritany


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Efa vita ny fanamboarana ny laza adina CEPE isam-paritany amin’izao,

raha araka ny fanadihadiana natao. Talohan’ny fihafaran’ny taona 2023 dia efa nanomboka tamin’ny fanomanana izany ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena raha araka ny fantatra. Ankehitriny, miandry ny fisafidianana ny laza adina sisa ireo tompon’andraikitra dia handeha ny fanontana izany. Hifarana ny 22 Martsa ho avy izao kosa ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina raha ny datin’ny 18 Jona no hanatanterahana ity fanadinam-panjakana iray ity amin’ity taona 2024 ity. Samy hanana ny laza adina ho azy kosa ny renivohi-paritany saingy hanana endrika nasionaly. Mikasika ny fanadinam-panjakana BEPC indray dia efa manomana izany ireo DREN miisa 23 manerana ny Nosy izay marihina fa mitovy daholo. Efa manomboka ny fanontana ny taratasim-panadinana BEPC eny amin’ny CNAPMAD noho izany. Amin’ny faran’ny volana Aprily ho avy izao moa no hifarana ny fisoratana anarana amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana BEPC rah any datin’ny 01 ka hatrramin’ny 04 Jolay kosa no hanatanterahana izany. Maimaim-poana avokoa moa ny fisoratana anarana amin’izany hoy hatrany ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Pati
Legende : Kely sisa dia ho vita tanteraka sy ho fonosina tahaka izao ny laza adina CEPE !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT