Fampianarana

Laza adina BEPC Efa tonga ny anjaran'i Sainte-Marie, Nosy-Be…


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Tonga afak’omaly sabotsy 10 jolay ny laza adina BEPC ho an'ny Fari-Piadidiam-pampianarana Sainte-Marie, Nosy Be, Maevatanana….

Tonga nitsena ny laza adina BEPC tany amin'ny seranam-piaramanidina Fascène Nosy-Be miaraka amin'ny mpiara-miasa aminy ho an’ity faritra ity ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. "Miisa 15 ireo baoritra misy ireo laza adina miaraka amin'ny "grille de correction" sy ny toromarika mahakasika ny fanadinana. Hentitra ny fiarovana ireo laza adina ireo" hoy ny lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana Nosy-Be. Tonga tamin’ny sabotsy 10 jolay 2021 tamin'ny 2 ora maraina teo ihany koa ny laza adina BEPC ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Maevatanana, Tsaratanana, Kandreho, izay mandrafitra ny Fitaleavam-Paritry ny Fanabeazam-pirenena Betsiboka. Hitohy hatrany ny fitsinjarana izany mandritra ity herinandro ity raha hanomboka amin’ny 19 jolay ho avy izao kosa ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy haharitra 4 andro.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT