LASER RUN

Laharana faha-10 tamin'ireo Firenena 36 i Madagasikara


  • Talata 16 Desambra 2025

Nigadona an-tanindrazana omaly

Alatsinainy 16 Desambra folakandro ireo atletan'ny Pentathlon Moderne Malagasy izay nitondra avo ny voninahi-pirenena tany alalan'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany Laser Run. Raha tsiahivina kely dia tany Mossel Bay Afrika Atsimo no nanatontosana azy io ny 10 hatramin'ny 14 desambra lasa teo. Niisa 36 ireo firenena nandray anjara tamin'ity fifaninanana ity ka lasantsika Malagasy ny laharana faha-10. Medaly miisa roa no azo tamin'izany ka ny iray volafotsy raha alimo ny iray.Rakotoniandraina Haroon Manjaka sy Rakotomalala Andriamizaka Jules Godefroy no nahavita ny dingana tsara indrindra nahazoana ireo medaly ireo. Efa manomana sahady ny fiadiana tompon-daka eran-tany manaraka izay hotanterahina any Portugal, amin'ny volana Jona taona 2026 moa ny federasiona malagasin'ny Pentathlon Moderne ankehitriny. "Teo amin'ilay basy laser no lesoka tamintsika fa raha ny hazakazaka dia tena efa milahatra tsara amin'ny mpifanandrina ny atleta Malagasy. Efa hita izay ka dieny izao dia efa manomana ireo ankizy handray anjara ny tompon'andraikitra.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireto ry zalahy nibata ny amboara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT