Lasa voafetra ny fanabezana ankehitriny

Mirongatra ny karazana tsy fandriampahalemana


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Lasa voafetra ny fanabezana ankehitriny na ny marimarina kokoa aza dia hoe voafetra be

mihitsy amin’izao fotoana izao ny fahafahana manabe ny ankizy sy ny tanora, tsy eto Madagasikara ihany, fa manerana izao tontolo izao mihitsy, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina, Eddy Jean Philippe. Efa tsy mitombina intsony izany izao, ohatra, hoy izy, ny hoe «Zanaka tiana tsy hitsitsiana ratsan-kazo!». Ny fiarahamonina mihitsy no efa lasa manameloka ireo ray aman-dreny mbola tratrany mampihatra izany fomba fitaizàna izany ary mialohan’ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena mihitsy raha mijery isika ireo tranga maro efa vaky ambatolampy teny anivon’ireny tambazotran-tserasera sy haino vaky jery samihafa ireny. Heverina, noho izany, fa tokony iverenana jerena ihany ny atao hoe «fitaizàna» sy ny atao hoe «herisetra» satria raha ny rafi-piarahamonina iainantsika amin’izao fotoana izao no jerena dia io lasa mampivarilavo ny ankizy, indrindra, ny tanora toy ny tanora malagasy io. Mirongatra ny karazana tsy fandriampahalemana. Hanao ahoana izany ny hoavin’ny firenena raha toy izao iaraha-mahita ankehitriny izao ny afitsoky ny tanorantsika nefa hoe ny tanora no hoavin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavàna sy fanontanian’ity mpandinika fiarahamonina ity?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT