Fampianarana

Lamaody sy fampihaingoana ny ati-trano Namoakatra mpianatra 400 isa ny ECCOVA


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Namoaka mpianatra 400 isa ny “Ecole de Coupe et Couture Volana” eto Antananarivo, tarihin-dRazanamanalina Volana

 

 

 

 :Nisy tamin’ireo mpianatra no nianatra lamaody no sady niangaly ny fampihaingoana ny ati-trano  ihany koa mba hampivadiana ny asa. Mbola malalaka rahateo ny tsenan’ny asa, indrindra ho an’ireo mahay mamorona. Andiany miakanjo tsara no anarana nisaloran’izy ireo, nianatra nandritra ny enim-bolana raha kely no sady niatrika ny fitsapam-pahaizana niarahana tamin’ny Ministeran’ny fampiofanana arak’asa avokoa. Afa-panadinana soa aman-tsara avokoa moa izy ireo raha araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny sekoly ka vitsy ireo efa nahita asa na koa nahatsangana orinasa kely ho an’ny tenany manokana.  Tsiahivina moa fa misy lehilahy hatrany ao anatin’ireo andiany efa nivoakan’ny Eccova hatramin’izay ka  ankoatra ny asa fanjairana tsotra nahafantarana azy ireny dia tsy vitsy ihany koa ireo lasa mpanamboatra kiraro sy pôketra matihanina. Hanohizan’ny Eccova ny hetsika amin’ny taona 2019 ho avy io ny fankalazan’izy ireo ny  faha-25 taona niorenan’ny sekoly.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT