Fampianarana

Lalàna momba ny oniversite eto Madagasikara Tsy mifanaraka intsony amin’ny vanim-potoana


  • Talata 15 Desambra 2020

Raha nisy ny olana miverimberina isan-taona ka mahatonga fanapahana

 

 

fampianarana ety amin’ny anjerimanontolo sy foibem-pikarohana nasionaly dia tsapanay fa antony fototra mahatonga azy ny lalàna samihafa tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny rafitra iainana toy ny LMD, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES eto Antananarivo, ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, nanazava ny maha zava-dehibe ny lalana nolaniana momba azy ireo teo anivon’ny antenimieram-pirenena farany teo. Niezaka ny sendika sy ny fianakaviamben’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa nitady vahaolana. Namolavola sy nanolotra iny lalàna lany iny isika dia ny 006-2020/PL sy ny 007-2020/PL. Ao anatiny ny fanitsiana sy fanatsarana ny sata mifehy ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Eo koa ny mikasika ny fizakan-tenan’ny oniversite sy ireo toeram-pampianarana sy fikarohana ambony miankina amin’ny fanjakana. Dingana lehibe vita eo amin’ny famerenan-kasina ny tontolon’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana eto Madagasikara iny. Mbola dingana hafa miandry koa anefa ny eny amin’ny antenimieran-doholona sy fitsarana avo momba ny lalampanorenana sy hafa rehetra. Tadidio fa ny olana misy ety dia tara ny ora fanampiny, ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, ny fanatanterahana ny asa na “budget de fonctionnement”. Raha lany anefa io lalana io dia afaka mampiasa vola amin’ny alalan’ny atao hoe “ressource propre” satria afaka manokatra kaonty amin’ny banky ny oniversite sy ireo rantsa-mangaikany avy ka tsy ho voatery hangata-bola amin’ny fanjakana raha misy raharaha maika, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT