LALAN'i MADAGASIKARA

Manampy ireo ankizy mpianatra ao Toamasina


  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

Tsy irery ireo ankizy mpianatra Toamasina

taorian’ny nandalovan'ny rivodoza Gezani iny, hoy ny Làlan'i Madagasikara. Tonga nizàra cahier, stylo mainty mena manga, kit solaire afaka hamahanana finday ny ekipan'i Làlan'i Madagasikara izay tarihin'ny Mpandrindra Nasionaly Feno Fitondrana Rakotozanakajy. Fokontany maro no notetezina nizarana izany ary ny Filohan'ny Fokontany isanisany avy no nanome ny lisitry ny tra-boina. Ankizy maherin'ny 3 000 no nisitraka ny fanomezana ary ho tohizana ny hetsika amin'ny alalan'ny fandiovana, fanalana hoho, fampandroana, fanasàna lamba ary fiaraha-misakafo amin'ireo traboina isaky ny sabotsy. Ao anatin’ny vatana tomady no misy ny saina matsilo hoy ny Làlan'i Madagasikara ary rehefa manana fahalalàna ny ankizy izay ho avin'ny Firenena dia tsy ho mora rebireben'izay maniry handroba ny ho aviny fa hahay tsara ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Amin'izao fotoana izao dia misy teknisiana maro manao fandinihana ny hametrahana kaontenera ho azo atao trano fonenana mahazaka rivo-doza ihany koa any an-toerana. Fianakaviana maro amin'ireo traboina ireo no hisitraka izany, hoy ny fanazavana voaray. Fiaraha-miasa amin'ny Fondation Terra Futura izay manana ny foibeny any Suisse moa izao hetsika izao ary taditra tsara ao anatin’ny "Office National pour la mise en place et le suivi des Projets à Impact Rapide multisectoriels" izay tarihin'i Rija Rakotozanakajy.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT