Fampianarana

Lahatra MADAJEUNE « Aorian’ny bakalorea no tena manomboka ny safidy »


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Ny fitarihana, torohevitra ary fampahalalana no teny mamintina tsara indrindra

 

 

 

ny andiany faha-19 amin'ny “Salon des études Sup' 2020” omaly. “Fotoana iray ho an` ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny misafidy izay lalam-piofanana mety aminy sy mifanaraka ny filany”, hoy Lahatra Andriamahatsangy, mpitantana ny Mada Jeune. Teny izay taratry ny finiavan' ireo mpikarakara sy ireo sekoly ambony mpanadray anjara hanamorana ny safidin'ny fiofanana ho an'ny tanora malagasy. Tsy mora ho an'ny tanora maro nahazo diplaoma tokoa ny misafidy ny fianarana ambony. Vokatr'izany dia mpianatra maro no mifindrafindra sekoly mandritra ny fianarany eny amin'ny fampiarana ambony. Noho izany, dia very fotoana ny mpianatra no sady very vola ny ray aman-dreny. Ankoatra izay, io tsy fahaizan` ireo mpianatra nahazo bakalorea misafidy ny tolotra sy taranja izay mifanaraka amin'ny hetahetany io koa no mampisondrotra hatrany ny taham-pialàna an-daharana eny amin` ny oniversite. Hamadika ny rasa no antom-piasian`ny hetsika toy izao. Nisy ihany koa ny famolavolana ny “Guide des Etudes et formations 2020 » izay mirakitra ireo toeram-pampianarana ambony manerana ny nosy. “Fampahafantarana an` ireo fianarana ambony tsy miankina izay miara-miasa amin` ny Mada Jeune hahafahan` ireo mpianatra nisafidy ny taranja mety aminy, ny mombamomba ireo sekoly sy ny daty fidirana,… Aorian` ny bakalorea no tena manomboka ny safidy” araka ny fanazavana nentin` i Lahatra Andriamahatsangy, mpikarakara, hatrany. Maherin` ny 40 isa ireo sekoly ambony nandray anjara nandritra ny hetsika ary lalàm-piofanana maherin` ny 100 no azo nosifidianana. Fotoana sy toerana hahafahan'ireo tanora manana bakalorea mijery izay lalam-piofanana mety aminy na eto an-toerana izany na any ivelany ny hetsika tahaka izao.

 

Marigny A. sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT