Fampianarana

Krizin’ny fampianarana Tsy mbola misy vahaolana matotra


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Na dia nanamafy aza ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa tsy hihemotra ireo fanadinam-panjakana maro samihafa dia nilaza kosa ireo mpanabe nanao fitokonana tetsy Anosy, omaly fa na hivaly anio aza ny fangatahan’izy ireo dia mbola hitaky iray volana amin’ny fanjakana izy ireo hanatanterahany ny fanampin’ora “rattrapage”.

 Poizina ho an’ny ankizy mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana, hoy Ratolojanahary Arsene, ao amin’ny Mandatehezan’ny fanabeazana, raha avy hatrany dia hampanaovina fanadinana izy ireny,  nefa efa  telo volana  izao no nanaovan’izy ireo ny fitokonana. Nomarihin’izy ireo fa tsy mbola mivaly ny fitakiany, hatramin’ny omaly, ka tsy izy ireo no tompon’andraikitra raha sanatria ka misy ny taona fotsy, fa ny fanjakana. Mikasika ny fananganana ilay “cellule de crise” nanao ilay sori-dalana hoenti-mamaha ny olan’ireo mpampianatra manerana ny Nosy, dia nanambara izy ireo fa  ny ampahany tamin’ny fangatahany ihany no tafiditra ao, fa tsy ny rehetra. Niaiky izy ireo fa vonona amin’ny famahana ny olana tanteraka ny praiminisitra Ntsay Christian, fa ireo olona eo anelanelany no olana. Nanatanteraka fitokonana tao amin’ny tokotanin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena indray izy ireo omaly, ka nisy ny fitetezana birao, niantsoana ireo tompon’andraikitra sy mpiasa maro samihafa. Betsaka amin’ireo ray aman-dreny no mbola miaina anaty tebiteby tanteraka. Nanizingizina ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Horace Gatien omaly hariva fa efa 264 miliara ariary isan-taona ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny mpampianatra noho ilay fandraisana mpampianatra Fram 40 000 , ka tsy afaka hanao mihoatra an’io intsony ny fanjakana, hoy izy. Izany hoe tsy afaka hamoaka vola mihoatra an’io izay azo adika avy hatrany fa Tsia no valin’ny fitakiana hampisondrotana ny tambin-karama ataon’ny sendikan’ny mpampianatra. Tsy misy izany ny vahaolana aloha hatreto fa dia mihenjan-droa ny tady.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT