Miverina tsikelikely ny fampianarana manerana ny Faritra maro eto Madagasikara, anisany ny eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izay nahely tamin’ny tambajotram-pifandraisana, indrindra tamin’ny haino aman-jery, toy ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM.
Ny talata 24 jolay dia nolazaina fa miisa 107 amin’ny 115 ireo sekoly miverina misokatra, ka 88/93 ny EPP, 15/15 ny CEG, ary 4/7 ny Lisea teto an-drenivohitra raha ny nambaran’ny minisitera. Tsy nankasitrahan’ny mpampianatra mbola mitolona izany, ary nosokajiany ho famonoana ny tolona sy fanelezana vaovao tsy marina mba hamonoana afo, ka raikitra ny diabe nihazo ny ORTM teny Anosy, izay tsy lavitra ny Kianjan’ny 90Ar omaly. Nisy ny fihaonana teo amin'ny tompon’andraikitra sy ny filohan'ny sendikaly. Nambaran'izy ireo fa antontan'isa tany amin'ny minisitera no nambaran'ny ORTM fa tsy vaovao diso, hoy ny tatitra nentin'ireo filohan’ny sendika. Na teo aza ny endrika famonoana afo nataon’ny fanjakana nampiadiana ny samy mpampianatra, izay nisy nanao fanambarana fa miverina ny fampianarana, dia tsy tena tonga amin’izay aloha ny zava-misy. Saika manerana ny Nosy no mbola mihamafy ny hetsika ho an’ny omaly, raha tsy hilaza afa tsy ny tany Nosy-Varika, Ambatondrazaka, Fenoarivo Atsinanana, Mananjary, Ambalavao, Haute Matsiatra, Belo Tsiribihina, Anivorano Nord,… Tapitra tanteraka aloha izao ny 72 ora nomen’ny mpanabe ny praiminisitra, ka andrasana indray izay mety hiseho. Raha naneho ny heviny ny minisitra teo aloha Paul Rabary, dia niantso ny mpampianatra hiverina amin’ny asany, fa tazomy any am-po aloha ny fitakiana, hoy izy, fa efa any aminy ny lakile, ary izy no mahavaha an’io saingy mena ambanin’ny mena izy fony teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.