KITAPO HO AN'NY MPIANATRA

Misy mahatratra 2 hetsy Ar latsaka eny an-tsena


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Manararaotra fatratra ireo mpivarotra fitaovam-pianarana

eto an-drenivohitra amin'izao fidiran'ny mpianatra izao. Mbola betsaka mantsy ireo Ray aman-dReny mividy sy manangona izany tsy miato noho ny fahasahiranana. Ho an'ny kitapo dia efa misy mahatratra 2 hetsy Ar latsaka ny vidin'ny iray eny an-tsena. Ireo karazany natokana ho an'ny ankizy misy karazana kisary no tena voakasik'izany ka mampitaraina fatratra ireo Ray aman-dReny. Mbola tena mafy tsy azo hiadiam-barotra koa ireto farany amin'izany no sady miavonavona. Tsy maintsy manomana 50.000 Ar araka izany raha kely ny Ray aman-dReny ho an'ny kitapon-jaza iray amin'ireo karazany tsotra. Mbola ankoatra io mari-bola io ny vidin'ny fitaovana. 200.000 Ar raha kely no tsy maintsy hatokana ho an'ny zaza iray raha mbola hafa ny vola hividianana aron'akanjo miampy ny short sy tee-shirt vidiana any an-tsekoly. Difotry ny fahasahiranana tanteraka ny Ray aman-dReny raha fehezina. Na ny hanin-ko hanina aza mila tsy ho hita intsony manoloana ny fampidirana ny mpianatra.
Pati
Légende : Lafo dia lafo ny kitapo eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT