Fampianarana

Karaman’ny PAT an’ny Oniversite « Misy fanitsiana tsy maintsy natao », hoy ny Minisitera


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Nitondra fanazavana mikasika ny karaman’ny mpandraharahan’ny Oniveriste ny Tale ara-bolan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Atoa Brysola Rajaonarivelo omaly,

eo anatrehan’ny grevy nataon’ireo PAT (Personnel Administratif et Technique) eo anivon’ny Anjerimanontolon’Antananarivo. Nambarany fa hatramin’izay hatramin’ny septambra 2021, dia tany amin’ny Oniversite no nandrindra ny resaka karama. Ny “subvention”, ny karama no nalefa tany. Anatin’ny fanovana isika, mitady ny mangarahara sy ny fitantanana mahomby, ka io no mampisy ny fanoherana. Misy ny dingana sy ny fanamarinana tsy maintsy hatao. «Efa tena ao anatin’ny dingana farany, efa vita ny « engagement » an’ny karama, efa vita ny “liquidation”, ary handeha ny fandoavana, arakaraka ny banky, izay bankin’ny Paositra io, hoy ny fanazavana. Efa vita ihany koa ny « digitalisation » ho an’ny mpandraharahan’ny oniversite, fa any amin’ny fomba fikajiana no tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, ka tsy maintsy namboarina sy nahitsy.Nomarihin’io tompon’Andraikitra io hatrany fa ny anjerimanontolo no nanao ny « état de salaire » izay azy, ary hatramin’izay tsy nifanaraka amin’ny tokony ho izy. Niakatra tany amin’ny Minisitera, nandalo ireo antanan-tohatra mpanao fanamarinana, betsaka ny tsy nifanaraka tamin’ny tokony ho izy, tsy maintsy nilàna fanintsiana, tsy maintsy novaina araka ny tokony ho izy, hoy ny fanazavana. IRSA(Impôt sur les Revenus Salariaux et Assimilés) ohatra, izay misy ny lalàna ankampobeny ny hetra izay mifehy azy, ary eo ny fomba fikajiana kanefa ny 2020 niova, 2021 niova, 2022 nisy fiovana kely kanefa tsy maintsy nampanarahana an’ireny ny fomba fikajiana mba hahazoana «Visa ». Ny tombotsoa aorian’izay satria efa nampanarahana ny “mode de calcul” na fomba fikajiana naparitaka eo anivon’ny oniversite sy ivon-toeram-pikarohana ambony ny “canevás uniformisé” dia tsy tokony tsy ho tara intsony ny karama, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R

Tahirin-tsary : Ny Tale ara-bolan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT