Fampianarana

Kaonfederasionin’ny Sempama Efa “loza mamotika” ny aretin’ny fanabeazana


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

Sarinteny tsy sarinteny omaly no nanaingon’ny avy eo anivon’ny kaonfederasionin’ireo sendikan’ny mpampianatra eto Analamanga (kaonfederasionin’ny Sempama) nentina nilazana fa efa faran’izay marary, na loza mamotika (phase finale) ny fanabeazana eto Madagasikara ankehitriny tetsy amin’ny Koots food Mahamasina.

Nampahafantarina io omaly io, noho izany, ireo « dokotera manampahaizana » nidina sy mbola hidina ifotony hijery ny tena fototry ny olana. Santionany amin’ireo aretina moa ny fahatapahana karama, ny tsindry hazo lena manjo ny mpampianatra ary ny fandrahonana mahazo ny sendika, raha ny fanazavana. Nisy ny zava-bitan’ny kaonfederasionina tao anatin’izay 20 taona nijoroany izay, toy ny fampiakarana ho mpampianatra raikitra ireo Fram saingy ny mampalahelo dia nahena ho 4000 isa indray izany ankehitriny. Ny randrambaon’ny sendika na ny SSM noho izany no hatokisanay fa profesora matihanina hanao ny fitiliana, hoy izy ireo, satria ireo no tompon’ny lalàna sy ny firaisankina. Antenaina fa ho fantatra amin’ny herinandro ny tokony ho atao, hoy izy ireo. Ny SSM rahateo efa nanao fanambarana tetsy Antaninarenina tamin’ny faran’ny taona fa raha mbola misy tapaka karama aorian’ny volana janoary dia tsy azo ekena intsony satria mamono olona izany. 120 isa eo moa izay mpampianatra mbola tapaka karama izay, raha ny fanazavana, raha 3000 isa teo aloha saingy ny takiana dia ny hiverenan’ny fandraisan-karaman’ny rehetra amin’ny laoniny.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT