KAOMININA TALATAMATY

Nitondra am-bavaka ny


  • Zoma 12 Jona 2026

mpanala fanadinana

Toy ny fanaony isan-taona dia nitondra am-bavaka ireo ankizy madinika sy tanora hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC ary ny Bakalorea ao amin'ny faritra hiadidiany ny kaominina Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo. Tao amin'ny Ekar Imerinafovoany no nanatontosany izany afak' omaly Alarobia 10 Jona, notarihin'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic, notronin'ireo mpanolontsaina. Fantatra nandritra ny fanazavan'ny Ben'ny tanana fa tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona ny hetsika. Nisy koa araka izany ny fitondrana am-bavaka ny firenena ao anatin'izao fahatsiarovana ny faha-66 taona nahazoantsika ny fahaleovan-tena izao. Ho an'ny kaominina Talatamaty manokana moa dia tena nahazo fahasoavanabe izy ireo. Efa vita ary efa hiasan'ny mpiasa rehetra mantsy ilay biraon'ny kaominina ngezabe sady vaovaobe misy rihina roa ahitana efitrano mihoatra ny 10. Tsy hanadino ireo mponina niangaran'ny vintana sy ireo zokiolona ao aminy araka izany ny Ben'ny tanana sy ny ekipany ao anatin'izao fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona izao.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nifanotrona teny am-piangonana omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT