Kaominina Ivato Centre Amoron’i Mania

Zazalahikely tokony hanala CEPE maty notifirin’ny jiolahy


  • Talata 18 Jona 2024

Tsy milamina ny tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Zazalahy kely tokony ho 13 taona no lavon'ny balan'ireo jiolahy ny takarivan’ny alahady tokony ho tamin'ny 7ora sy sasany teo tao amin'ny Kaominina Ivato Centre Fkt Ambalalehibe Vohibory Ambony. Omby 8 be izao no ihany koa no lasan'ireo jiolahy tao amin'ity tokan-trano ity ihany. Araka ny fantatra, tokony hanala fanadinana CEPE anio ity zaza nindaosin'ny fahafatesana ity araka ny fitantaran'ny Rainy, araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray. Nijery ifotony ny zava-misy ireo manam-pahefana notarihin’ny Governoran'ny Faritra Amoron'i Mania Rakotomandimby Désiré sy Andriamatoa Préfet Ambositra Rakotomalala Richard niaraka tamin'ny ben'ny tanana tao an-toerana sy ireo mpitandro filaminana dia tonga avy hatrany tany an-toerana nijery ny zava-misy ary nitondra izay voatsirambin'ny tanana sy nampionona ireto fianankaviana ireto. Ilaina ny fifanomezantanan'ny tsirairay ary hitady fomba ihany koa izy ireo hifehezana ny tsy fandriampahalemana, raha ny nambaran’ny governora, hoy hatrany ny tati-baovao avy any an-toerana. Tena mihantra aman’aina ny tsy fandriampahalemana. Ny kaominina Ivato Centre, dia isan’ireo efa nanaovana hetsika fanentanana mba hanaterana ireo basy tsy ara-dalàna, ka taorian'ny fanentanana nisesisesy ny amin'ny hiraisan-kina amin'ny Tagnamaron'ny fandriampahalemana, dia basy tsy manara-dalàna miisa 123 no naterina tao amin'ny zandarmaria Ivato Centre nandritra ny 2021-2022. Henjana ny tsy fandriampahalemana, dia mafampana ihany koa ny politika amin’ny distrika sasany ao Amoron’i Mania taorian’ny fifidianana solombavambahoaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT