KAOMININA BEMASOANDRO

Nahazo seza sy latabatra ny mpianatra


  • Zoma 18 Jolay 2025

Mitohy ny fanatsarana ny sehatry ny Fanabeazana ho an’ny kaominina ambanivohitr’i Bemasoandro,

distrikan’Atsimondrano. Ankoatra ny nanokanana ny andro Sabotsy faran’ny volana mba hanadiovan’ny sekoly tsy an-kanavaka ny trano fianarana sy ny manodidina azy dia nahazo dabilio sy seza maoderna miisa 72 avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena koa izy ireo. Omaly Alakamisy 17 Jolay no nanolorana tamim-pomba ara-teknika ireo fitaovana ireo. Raha araka ny fantatra dia hotsinjaraina ho an’ireo mpianatry ny EPP sy ny CEG ao Bemasoandro ireo seza sy latabatra ireo. Ho famporisihina ny ankizy mpianatra hazoto hianatra no tanjona raha eo ihany koa ny famaliana ny filan’izy ireo amin’ny andavanandro. Na izany aza dia nampianarina azy ireo sahady ny tokony hahaizany mikoja sy manaja ny fitaovana ho dimbiasan’ireo taranaka faramandimby.
Pati
Legende : Notanterina tamin’ny kamiao tahaka izao ireo dabilio sy seza vaovao ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT