KAOMININA AMPITATAFIKA

Ankizy sahirana miisa 20


  • Talata 09 Septambra 2025

nampidirin'ny kaominina nianatra

Mitombo isan-taona ireo Ray aman-dReny tonga manatona ny kaominina mba hangataka fanampiana rehefa ankatoky ny fidiran'ny mpianatra tahaka izao. Ho an'ny kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano manokana dia nambaran'ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina fa tena mila tsy ho araka intsony ny manampy azy ireny. Lasa be dia be ihany koa mantsy raha araka ny fanazavany ireo olona tsy mahita hanin-ko hanina intsony ka tonga manatona manangataka fanampiana ao amin'ny kaominina. Tena sahirana ny olona hoy izy, indrindra fa tamin'ity taona 2025 ity. Voatery noferan'ny kaominina ho 20 isa noho izany ireo ankizy sahirana nomeny fanampiana sy nampidiriny nianatra tamin'ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Tsara moa ny mampahatsiahy fa hahazo efitrano vaovao miisa 3 ny sekoly ambaratonga fototra ao Ampitatafika vaovao. Ny tanimenabe no nanome ny tany mirefy 500 m2 hanamboarana ny foto-drafitrasa. Ry zareo Irlande du Nord sy Grande Bretagne kosa no mpamatsy vola izay tsiahivina fa efa vonona tanteraka miaraka amin'ny fitaovana toy ny dabilio sy arimoara. Tafiditra ao anatin'io fanampiana omen'ny mpamatsy vola io ny fanangana trano fivoahana vaovao ho an'ity EPP iray ity.
Pati
Légende : Rado Ramparaoelina, Ben'ny tananan'Ampitatafika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT