KAOMININA AMBOHIDRAPETO

Hampianatra informatika maimaim-poana


  • Alarobia 15 Mey 2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Lasa mirenireny avokoa ny ankamaroan’izy ireny noho izany na nahavita fianarana ara-dalana na tsia. Manoloana io tranga io dia nandray fepetra mifananindry amin’izany ny Ben’ny tananan’Ambohidrapeto, Mihary Andriantsilavo ho fanampiana ireo tanora ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Hampianatra informatika maimaim-poana izy ireo amin’ny Sabotsy 18 May ho avy izao ao amin’ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto ihany. Karazan-javatra maro no hianarana mandritra izany toy ny informatique bureautique, ny fikirakirana internet ary ny dactylographie. Ao amin’ny biraon’ny kaominina ihany ny fisoratana anarana amin’io andro io. Tanjona ny hanampiana ireo tanora mba hahita asa avy hatrany na dia hanao saisie fotsiny ihany aza, hiarovana azy ireny amin’ny fidonanam-poana. Vokatr’io tsy fisian’asa io tokoa mantsy dia marobe ireo lasa miloka sy mifoka isaky ny elakelan-trano, antony mampirongatra ny fanolanana sy ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny.
Pati Legende : Hahazoana asa haingana ny fahaizana mikirakira ny informatika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT