Fampianarana

Kaominina Alasora Hahazo EPP ny fokontany Amboaroy


  • Talata 08 Desambra 2020

Taorian'ny Fokontany Ambodivondava dia hahazo sekoly ambaratonga fototra

 

 

 

vaovao ihany koa ny Fokontany Amboaroy.Mbola vokatry ny tohana avy amin'ny fikambanana Zazakely avy any la Frantsa no angady nananana sy vy nahitana izany. Raha araka ny fantatra mantsy dia feno tanteraka ny Epp ao Ambodivondava vokatry ny fihazakazahan'ireo mpianatra avy ao Amboaroy mandrato fianarana ao an-toerana, izay fokontany mifanakaiky no sady be mponina indrindra. Ny sabotsy teo araka izany no nametrahana vato fototry ny asa fanamboarana. Ahitana efitrano miisa 4 izy io miaraka amin'ny biraon'ny tale,asa haharitra 3 volana. Nambaran'ny Ben'ny tananan'ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy nandritra izany fa tafiditra tao anatin'ny fampanantenana nataony tamin'ny fampielezan-kevitra izao fananganana foto-drafitrasa izao izay kasaina hahazaka mpianatra 300 isa. Vao fokontany 11 amin'ireo 20 isa misy ao an-toerana mantsy no manana EPP ankehitriny nefa samy be mponina avokoa. Na izany aza anefa ho vita ihany ny sekoly fa mbola olana ny fitaovana hampiasaina ao anatiny. Niantso ireo malala-tanana ao Alasora rehetra araka izany ity Ben'ny tanana ity mba hifanome tanana aminy. Mba hisarihana ny rehetra anefa dia nosantarin'izy mivady tamin'ny fanolorana dabilio miisa 15 izany. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny solombavambahoaka voafidy tany amin'ny distrikan' Avaradrano, ny lehiben'ny distrika....Tsiahivina moa fa ny kaominina no niantoka ny tany nanorenana ny sekoly raha ny fikambanana Zazakely avy any la Frantsa no hiantoka ny lany amin'ny asa fanamboarana rehetra.

Pâti

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT