KAOMININA ALASORA-FANADINANA CEPE

Mpiadina sy mpandraharaha 2000 mahery no nomena sakafo


  • Alarobia 18 Jona 2025

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy nanadino ireo mpandraharaha sy mpiadina marobe

niatrika ny fanadinana CEPE tao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy, notronin’ireo mpanolon-tsaina kaominaly. Sakafo atoandro mafana sy azo antoka ho an’olona miisa 2.000 no natolony tamin’izany ka ny 1.200 tamin’ireo dia natokana ho an’ny mpiadina avokoa. Nambaran’ny Ben’ny tanana fa hetsika efa fanaony ny tahaka izao tao anatin’ny 5 taona, vola mivoaka avy amin’ny teti-bolan’ny kaominina notapahana nandritra ny fivorian’ny SLC. Tanjon’ny kaominina ny hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny amin’ny fikarakarana sy fanaterana sakafo ho an’ireo mpiadina. Toraka izany koa ny hahatonga ny mpiadina tsy ho menatra ny amin’izay sakafo atoandro mety hohaniny vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Iaraha-mahalala tokoa mantsy fa sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Mikasika ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona manokana dia fantatra fa hitohy amin’ny fizarana solombody akoho ho an’ny zokiolona mihoatra ny 65 taona ny hetsika hotanterahin’ny kaominina mba hahafahan’izy ireny manao fety sambatra.
Pati
Legende : Nirotsaka nizara ny sakafo mihitsy teto ny Ben’ny tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT