Fampianarana

Kandida ho filoham-pirenena Tokony hanao tolotra politika vaovao


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy sy ilain’ny vahoaka Malagasy ny ankabeazan’ny tetikasan’ireo kandida mirotsaka ho filoham-pirenena, hoy ny mpahay toekarena Hugues Rajohnson.

 

Nisy ny famelabelarana nataony omaly zoma 31 aogositra teny amin’ny sekoly fandalinana Politika IEP Ampandrana. Araka ny tatitra natao tamin’ny fanadihadiana tamin’ny faritany enina nataon’ny mpianatra tao amin’ny IEP dia fantatra fa 70% no tsy manana fahatokisana amin’ny mpanao politika intsony. 60% kosa ny nilaza fa tsy afa-po tamin’ny fitondrana nisy teto Madagasikara. Nanambara ity mpampianatra toekarena ity fa tsy mifandray ny eritreritry ny Malagasy sy ny eritreritry ny olona te hitondra ny firenena. Tsy any amin’ny fotodrafitrasa tahaka ny hopitaly sy ny sekoly no ilain’ny olona, hoy izy fa ny fivelomana miainga amin’ny fiarovana tontolo iainana, ny zavamaniry ary ny biby.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT