Fampianarana

Kandida BEPC 2018 Teratany vahiny ny 8, manan-kilema ny 29


  • Alatsinainy 03 Septambra 2018

Hanomboka anio alatsinainy 3 septambra ary haharitra hefarana ny fanadinam-panjakana faharoa, BEPC (Brevet d’Etude du premier cycle) eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

 

Ny taranja Malagasy no hisantatra ny lazadina. Miisa 347.946 ny mpiadina voasoratra anarana tamin’ity taom-pianarana 2017-2018 ity ka teratany vahiny ny 8 amin’ireo ary misy kandida manan-kilema 29. 9 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina, raha 60 taona kosa ny zokiolona. Mizara amin’ny sokajy A izay misy mpiadina 171.715 sy sokajy B misy 176.231 ireo mpiadina, izay hiatrika fanadinana amin’ireo foibem-panadinana miisa 1.032 ahitana efitrano 8.858. Efa tomombana avokoa ny fanomanana sy ny fanatontosana ity fanadinana ity, raha ny fanazavan’i Tsitohara Serge Pierrot, talen'ny serasera sy ny fampitam-baovao eo anivon'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena eo. Na eo aza izany dia nohamafisina ny fitandroana ny filaminana.

Jean D.

                      

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT