JOURNEE ENTREPRENARIAT ET CREATIVITE

Hanehoana ny maha-tompon'andraikitra ny tanora


  • Alarobia 17 Septambra 2025

Tsy ho atao resaka fotsiny intsony hoe : ny tanora no ho

avin’ny Firenena fa tena hohampiharina eto amintsika. Izany indrindra no antony hanatanterahan'ireo mpianatry ny GSI Internationale ny Journée Entreprenariat et Créativité na JEEC andiany faha-6. Eny amin'ny le Pavé Antaninarenina no hanatontosana izany ny Zoma 19 Septambra ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Ankoatra ny tolotr'asa hanampiana ireo tanora tsy an'asa dia hisy ihany koa ny trano eva an'ireo orinasa mpiara-miombon'antoka ho avy handray anjara amin'izany ka handraisan'ireo fangatahan'asa...ho an'ireo izay vonona marina. Arahin'ny trano eva hampiranty ireo tetikasa nataon’ny mpianatra izany hampahafantaran'izy ireo ny ezaka vitany sy ny mbola hoataony. Tanjona ny ny hanosehana azy ireo hiditra amin'ny sehatry ny fandraharahana hahafahana miady amin'ny fahantrana. Fantatra moa fa hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana sy fitiliana ny aretina diabeta maimaim-poana amin'io andro io ho fanampiana ireo tsy manana fahafahana ny hitsabo tena. Saika tsy manana izany avokoa mantsy ny 70%-n'ny tokantrano Malagasy hany ka manao dokotera tenany na miandry fahafatesana fotsiny ihany sisa.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ireo mpikarakara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT