Vita soamantsara ny fanadinana bakalorea taona 2020. Maro amin` ireo
mpiadina no maniry ny hanohy ny fianarany eny amin` ny ambaratonga ambony. Hanokana hetsika ho an` ny mpianatra ny “Mada Jeune” ho fanampiana azy ireo amin` ny fitadiavana sekoly ambaratonga ambony na ivon-toeram-pampiofanana mifanaraka amin` ny lalam-piofanana mahaliana azy ireo. Ny alarobia 02 desambra izao ao amin` ny Hotely Carlton no hanatanterahana ny “Journée des Etudes Sup`”. Anisan` ireo sekoly handray anjara amin`izany ny IT University, izay manam-pahaizana manokana sy mampivelatra ny teknolojia vaovao ary no sady tokana miara-miasa amin'ny Microsoft-IT Academy. Noho izany, ny fianarana ao amin'ny IT University dia midika hoe mandray soa amin'ny fiofanana kalitao, mifanaraka amin'ny filan'ny orinasa lehibe sy iraisam-pirenena. Izany no mahatonga ireo mpianatra nahazo diplaoma ao aminy no malaza amin'ny fahaizany, na aiza na aiza misy azy, manerantany. Ho fanampin'izay, 10% amin'ireo mpianatry ny IT University dia manohy ny fianarany any ivelany. Izany dia mampitombo hatrany ny lazany any amin'ireo firenena matanjaka toa an'i France, Maorisy, Afrika Atsimo, Etazonia. Efa azo atao tsara koa ny manatevim-pahalalalana sy miofana momba ny Serasera hita maso sy ny Tefibika (Grafic Design) satria dia nanokatra lalam-piofanana mitokana momba an’izany ny sekoly ambony IT University, eny Andoharanofotsy, izay isan` ireo sekoly ambony miisa 8 sangany indrindra eto Madagasikara. Zava-dehibe ny mamaritra ny toerana misy ny teknolojia vaovao sy ny maha-zava-dehibe azy eto Madagasikara, hahafahana mampitaha azy ireo amin'ny sehatra manerantany. Vonona hanatratra ny fanamby ny IT University Academy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.