JONQUILLE – SEKOLY MANDRAY ZAZA OTISTA

Kilan’ny afo ny tranon’ny tale, mangataka fanampiana


  • Zoma 05 Jolay 2024

Kilan’ny afo ny tranon’ny tale sady mpanabe ny sekoly Jonquille izay mandray an-tanana

ireo zaza otista tena sahirana eto Antananarivo. Afak’omaly Alarobia 03 Jolay no nitrangan’izany. Nandritra ny taona maro dia nandray hatrany ireo zaza otista maro tsy nisy nety nandray intsony ny sekoly. Trano hazo hatrany ny foto-drafitrasa nampiasaina saingy manaraka ny fenitra kosa ny fampianarana hatolony ary nanome fitiavana hatrany ireo natositosiky ny hafa hoy Ramatoa Tale. Tena manao adidy lehibe eto amin'ny firenena ho an'ny ankizy hafakely ity talen-tsekoly iray ity noho izany. Zaza otista an-jatony no efa nokarakarainy sy noraisiny an-tanana. Miantso ny rehetra mba hifanome tanana aminy izy noho izany hahafahany mihoatra amin’izao fahasahiranana mianjady aminy izao. Ny laharam-pinday 0343880473 no hahazoana azy sy mifandray aminy ary misy handefasana ny tolotanana Mvola. Amin’ny anaran-dRamatoa Mbolatiana Lasasoa Razanaparany izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ilay trano may !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT