Jery todiky

ny voka-panadinana 2026


  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Nijotso ny taham-pahafahana

CEPE, nisonga kosa ny BEPC
Notanterahina tetsy amin'ny INFP Mahamasina ny Talata 06 oktobra 2026 ny fanaovana jery todiky ny voka-panadinam-panjakana 2026. Araka ny vokatra azo dia nisy fiovana ny tahan'ny fahafaham-panadinana satria raha 84,28% izany ho an'ny CEPE ny taona 2025 dia nisy fihenany ka lasa 80,67% ny taona 2026, ho an'ny BEPC 2025 kosa dia 59,02% raha nisy fiakarany ho 61,85% izany tamin'ity taona 2026 ity. Nisy ny fandraisana fepetra marolafy nampahomby ny fanatanterahana ny fanadinana toy ny fitandroana sy fiarovana ny laza adina sy ny fampiharana làlana manoloana ny hosoka sy ny fisolokiana nisy ary ny ady tamin'ny kolikoly araka ny fanazavana nentin'ny Tale misahana ny fanadinam-panjakana sy ny fanamarinam-pahaizana Nivojoelina Bazolimanjato. Na izany aza dia maro ihany ireo olana nisy sy lesoka hita toy ny fahataran'ny fahatongavan'ny fitaovana niteraka fahataran'ny fanontana taratasim-panadinana, ny fiparitahan'ny laza adina hosoka tany anaty tambajotran-tserasera, ny tsy fitovian'ny antontan'isan'ny mpiadina voaray sy ny valim-panadinana avy aty amin'ny foibe sy any amin'ireo tambazotram-pifandraisana... Samy naneho soso-kevitra ho fanatsarana ny hiatrehana indray ny fanadinam-panjakana 2026-2027 ireo rehetra tonga ka isan'izany ny fanafainganana ny fikarakarana ny fitaovana, ny famolavolana sy ny fikarakarana ny fanadinana miainga avy amin'ny Minisitera foibe ary ny fitaterana ny laza adina amin'ny "fourgon" arahana fiara manokana misy mpitandro filaminana, ny fametrahana "Centre opérationnel" miaraka amin'ny Prefektiora sy ny mpitandro filaminana ary ireo rantsa-mangaika isam-paritra ho amin'ny fiarovana ny fanadinana. Tonga nanatrika ity fanaovana jery todika ity ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina. "Hatsaraina ireo lesoka ary hotazomina sy hatsaraina bebe kokoa izay efa nety", hoy izy. Nandray anjara ihany koa ny Prefen'Antananarivo, Vonjy Masinjanahary Andriasy, ary ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Analamanga, Rafalimanana Alain Adonis, niaraka tamin'ireo solontenan'ireo sekoly sy tomponandraikitry ny fanabeazana eny anivon’ny CISCO ary ireo Distrika.
Nangonin'i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampiharana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny fandaharam-pibeazana

  • SENDIKA
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

EO ANIVON’NY MEN

  • LTP Ampasapito
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Nahazo rano, efitrano 12

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Talata 06 Oktobra 2026

- Kazak Mining Hub

  • BAKALOREA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

2026 TAO VAKINANKARATRA

  • POLITEKNIKA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONTOVORONA

Hijery ny tohiny
FTT