Fampianarana

Jerry Rakotoarijaona “Atao fitaovana politika foana ny fanabeazana eto”


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Isan’ny raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny ny resaka “écran plat” tao amin’ny CCO sy ny resaka fanabeazam-pirenena, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso,

 

 

 Jerry Rakotoarijaona. Mino aho, hoy izy, fa mahakasika ilay voalohany dia hisy ny fanadihadiana momba azy ary ho fantatra tsy ho ela ny valiny. Mikasika ny fanabeazam-pirenena kosa dia tsikaritra ho efa hatramin’izay mihitsy no zary fitaovana politika izy io. Natao toerana nametrahana fototra politika mihitsy tao anaty fitondrana nifandimby izy io, hoy izy. Ny olona miteny anaty sendika indraindray hita ho misy firehana na tsy anaty antoko politika aza. Eo no mampiheritreritra hoe ahoana izany no hijerena azy fa mampalahelo ny fanabeazana eto Madagasikara ary mila fanarenana goavana, hoy hatrany izy, satria efa mamaka loatra ao amin’io ministera io izay fanaovana azy ho fototra politika na “base politique” izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT