Fampianarana

Jean Eric Rakotoarisoa “Misy ny tody ary ny ratsy atao no miverina”


  • Talata 17 Mey 2022

Nikatona ny vavahadin'ny oniversiten'Antananarivo izao maraina izao, hoy ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana teo aloha, Jean Eric Rakotoarisoa, omaly.

Efa faha 16 mey isika anio (TTF: omaly) nefa mbola tsy nandray karama aprily ny PAT na mpandraharahan’ny oniversite, hoy izy. Tokony ho tonga saina izay tompon’andraikitra rehetra amin'izao fahatarana izao. Na noho ny tsy fahaizana miasa na noho ny tandrevaka na sanatria fanahy iniana, fa manana endrika famonoana olona an-kitsirano izao noho ny fiainana efa sarotra. Tandremo fa amin'izao fiverenana an-doharano izao sy ny famerenana ny hasin'ny tany dia misy ny tody ary ny ratsy atao miverina, hoy hatrany ny tenany. Ny mpanandro sady filozofa, Rabearifeno Albert, moa dia efa ela no nanamarika fa “Ny tody itsy misy ka ny atao no miverina.” no oha-pitenenana tena izy fa tsy hoe “Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.” akory. Tsy misaina izay lazaintsika isika taranaka aty aoriana, hoy ity farany, hany ka zary vazivaziana koa ilay izy hoe “Ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina.”
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT