Tombony ho an` ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea ny karazana
hetsika fampirantiana toy ny “salon des études Sup’”. Maro ireo ivon-toeram-pampianarana ambony sy oniversite nanana tranoeva azo nisafidianana. Iray amin' ireny ny IT University etsy Andoharanofotsy, mifantoka amin'ny resaka informatika sy haitao ara-kajy mirindra. Ny vanim-potoana misy antsika ankehitriny dia azo lazaina fa vanim-potona ao anatin'ny fivoaran' ny teknolojia amin'ny lafiny rehetra ary amin'ny endriny maro samy hafa. Hita taratra fa tena miaina amin'izany koa isika eto Madagasikara ary efa tena mahazo vahana tanteraka izany raha eto amintsika ary tsy vitsy ny tanora no efa lasa alavitra amin'izy ity. Antom-pisian` ny IT University izany, hoy Nary Radanielina, tompon`andrikitra iray eo anivon` ny sekoly. “Mihazakazaka be ny oniversite ka natsangana ny sekoly mba hahafahana manampy isa ny mpikirakira informatika na eto an-toerana na any ivelany satria ny zava-misy dia tsy ampy ny isan` izy ireo”. Ny IT University rahateo, nandritra ny taona 2011, dia efa nahatafita mpianatra Malagasy maro miasa misandrahaka manerana izao tontolo izao tahaka ny any Maurice, Afrika Atsimo, France, Etats unis. Hiditra amin` ny faha-folo taonan` izao ny IT University saingy kosa efa maro ireo zava-bita nandritra izany. “Natsangana ny “amphithéatre” mba hahafahana manana fotodrafitrasa mifanaraka amin` ny fenitra takiana eo amin` ny iraisam-pirenena. Ankoatra izay, tolotra vaovao tamin` ity taona ity ny IT Design School. Efa azo atao tsara manomboka izao ny manatevim-pahalalalana sy miofana momba ny Serasera hita maso sy ny Tefibika (Grafic Design) eto Madagasikara. Ao anatin` ny enim-bolana dia afaka hahafehy ireo teknika ireo sy hanana fahaizana azony trandrahina sy ampiasaina avy hatrany ireo mpiasa sy tanora manao ny fiofanana” araka ny nambaran` i Nary Radanielina hatrany. Betsaka ny zavatra no entin' ny fivoaran'ny teknolojia. Ny fiainana andavan'andro rahateo dia toa efa saika fitaovana maoderina manaraka ny toetr'andro sy avo lenta ireny avokoa no fampiasa. Mitaky fahaiza-manao sy fikarokarohana ny resaka informatika sy haitao ara-kajy mirindra, amin’ny alalan’ny fahafantarana misimisy kokoa ny fanatontoloana ara-tekinolojika ka vonona hanatratra ny fanamby ny IT University Academy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.