IT College

Manomana ireo mpianatra ho manam-pahaizana amin’ny informatika


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Anisan’ireo mandray anjara ao amin’ny Madagascar School Expo eny amin’ny Radisson

Blu Tana Water Front ny IT College -.Izy ity moa no Lycée voalohany mampianatra momba ny Informatika eto Madagasikara .Hisokatra ny 09 septambra 2024 ho avy izao ny taom-pianarana vaovao . Mampianatra momba ny Informatika ho an’ireo ankizy izay afaka BEPC teo ny ITC ka ahitana kilasy Seconde sy Première , amin’ny taom-pianarana manaraka ny kilasy Terminale . Anisan’ny tena mampiavaka ny sekoly dia noho izy manaraka ny fenitra ara teknolojika, mianatra momba ny tontolon’ny informatika , manomana sahady ireo mpianatra amin’ny hoaviny ao amin’ny IT University, tsindrina tsara fa ankizy 1 mahazo LAPTOP (ordinateur ) hianarana ao an-dakilasy . Bacc S malagasy no halain’ireo mpianatra ao amin’ny ITC , ary tsindrina tsara fa tafiditra avy hatrany ao amin’ IT University ireo mpianatra izay mianatra ao amin’ny ITC ka afaka Bacc. Mianatra ireo taranja rehetra ianaran’ny mpianatra malagasy ny ITC ary miampy « Base Informatique » , « Chinois Mandarin » ary « Anglais renforcé ». Eny Andoharanofotsy ao amin’ny IT University ihany no misy ny ITC ary efa misokatra ny fisoratana anarana. Azo anontaniana ao amin’ny 038 13 300 21, 037 41 300 21 ny fanazavana fanampiny.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT