Fampianarana

ISPM Antsobolo Tsy misy “concours” ny fidirana ao aminy


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Tsy misy “concours” toy ny teo aloha amin’ity taom-pianarana vaovao 2020-

 

 

 

2021 ity ny fidirana eo anivon’ny sekoly ambony “Institut Supérieur polytechnique de Madagascar” eny Antsobolo. Noho ny mbola fisian’ny valan’aretina Covid 19 ka tsy hahafahana manangona olona maro no anton’izany fanapahan-kevitra noraisin’ny filan-kevitra izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Razafindrahety Aimée, tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly. Amin’ny alalan’ny fifantenana ny antontan-taratasin’ny mpianatra araka izany no handraisana azy ireny ka ankoatra ireo antontan-taratasy rehetra notakiana hatramin’izay dia ny relevé de note-n’ny mpianatra no hangatahin’ny sekoly na koa ny gazety manamarina ny nahafahany ny fanadinana Bakalorea. Amin’ny 17 desambra ho avy izao no hiditra ny sekoly raha hatramin’ny 27 novambra kosa ny fandraisana ny antontan-taratasy izay hitohy hatramin’ny 05 desambra alohan’ny hamoahana ny anaran’ireo ankizy horaisina. Nomarihiny manokana moa fa nafaha-po ny taham-pahafaham-panadinana Bakalorea teto amintsika farany teo satria nahatratra 50 % izany. Manaporofo izany hoy izy fa tia fianarana ny tanora Malagasy ary tsy tokony hijanona hatreo fa hiezaka hatrany mba hanatrarana ny tanjona. Tsiahivina moa fa efa nahatratra 3.500 ireo ingeniera efa navoakan’ny sekoly ambony ISPM tao anatin’izay 27 taona nijoroany izay. Nanao ny fampianarana tamin’ny alalan’ny tambazotra hatrany moa ny sekoly nandritra ny fahamehana ara-pahasalamana koa raha sanatria mbola misy izany dia vonona hatrany izy ireo ny hanohy izany hiadiana amin’ny taona fotsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT