ISPM-ADY AMIN’NY TSY FANANAN’ASA

“ Tokony ho resy lahatra amin’ny lalam-piofanana arahiny ny mpianatra”


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Mila olona matihanina sy mahay ny fitantanana ny firenentsika hahafahana miady amin’ny

tsy fananan’asa mahazo ny tanora ankehitriny. Saika tsy an’asa avokoa mantsy ireo nahavita fianarana na dia efa lany ron-doha sy fotsy rora tamin’ny fikarohana nataony azy. Toraka izany ireo vao afa-panadinana Bakalorea izay mahatratra 50.000 isa isan-taona raha kely hany ka mirenireny etsy sy eroa fotsiny na mivelona amin’ny asa tsy ara-dalana ny ankamaroany. Tsy mijery fotsiny azy ireny ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo. Ankoatra ny famporisihina ireo tanora mpianatra mba hanaraka izay lalam-piofanana mety hahazoana asa avy hatrany mantsy dia efa manoro hevitra ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana sahady izy ireo. Raha araka ny fanazavan’Atoa Edinho Andriharinjara, anisan’ireo mpampita vaovao eo anivon’ity sekoly ity dia tsy tokony ho mpanara-drenirano ireo namany fotsiny ny mpianatra iray fa tokony ho resy lahatra ary tompon’andraikitra amin’izay lalam-piofanana arahiny. Hahafahana misoroka zavatra marobe izany raha araka ny fanazavany toy ny fahaverezam-potoana, ny mety ho tsy fahitana asa, ny fitsiriritana ny hafa izay niara-niainga tamin’ny tena ihany…Miantso ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea araka izany ny tenany mba handinika tsara vao manapa-kevitra hisorohana ny mety hisian’ny nenina atsy ho atsy.
Pati Legende : Andriharinjara Edinho, anisan’ireo mpampita vaovao eo anivon’ny sekoly ambony ISPM !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT