Fampianarana

ISFPS Leader Handefa Paramed any Angletera


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Ho afaka hiasa any Angletera sy ny manodidina avokoa atsy ho atsy ireo mpampivelona sy mpitsabo mpanampy vita fianarana eto amintsika havoakan’ny sekoly ambony ISFPS Leader.

 

Ny fananan’ny mpianatra ny mari-pahaizana licence sy ny fahaizana mamolaka sy mampiasa ny teny Anglisy no fepetra takiana, hoy Atoa Tsimiondreke Mahasoa, filoha tale jeneralin’ny sekoly hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa eto amintsika. Tsy maintsy ankizy vonona  ny hioitra amin’ny fiainana kosa anefa no halefa any an-toerana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ity sekoly ambony ity amin’ny oniversitem-panjakana  any  Angletera no angady nananana azy io izay  hiitatra amina lalam-piofanana hafa toy ny fifandraisana, ny lalàna, ary ny transit et douane ho an’ireo mbola maniry ny hanohy fianarana. Tsy hijanona hatreo ny fiaraha-miasa. Hosokafana tsy ho ela eto amintsika ihany koa mantsy ny sekoly ambaratonga fototra hatramin’ny lisea hampiasa ny tenim-pirenena Anglisy ho fitsinjovana ny zaza Malagasy. Toerana telo no ahitana ny ISFPS Leader eto amintsika dia any Toliara, Farafoday ary ny etsy 67 ha.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT