Fampianarana

Isam-paritra ny laza adina Atao ny 1 hatramin’ny 15 septambra ny CEPE


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Samy hanana ny laza adina, arakaraka ny programa vitany ny faritra tsirairay. Tsy hitovy ny laza adina manerana ny Nosy, mba hisian’ny fitovizana herijika, hoy ny Filoham-pirenena.

 

 Ny minisitra vao nandray ny asany dia nivory niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ara-pampianarana isam-paritra. Atao amin’ny fomba manara-penitra sy hizotra araka ny tokony ho izy. Hatao ny 01 septambra ka hatramin’ny 15 septambra ny CEPE. Ny 01 septambra ny any amin’ny Faritanin’Antsiranana sy eto Antananarivo no hanombohana izany. Ny 08 septambra ny any Mahajanga sy Fianarantsoa. Ny 15 septambra ny any Toliara sy Toamasina. Hatao ny 21-24 septambra kosa ny fanadinam-panjakana BEPC. Tsy maintsy mitondra ny taratasy fiantsoana ny mpiadina, ary aleo homena daholo fa sao sanatria hoe tsy nahaloa ekolazy dia tsy omena, fa mila mifampitsinjo, hoy i Andry Rajoelina. Somary niova izany ny tetiandro ka ho an’ny CEPE dia nomena tapa-bolana ny faritra rehetra manerana ny nosy hanatantterahana izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT