Fampianarana

International Robotic Challenge Tanora Malagasy ho any Inde


  • Zoma 07 Desambra 2018

Hotanterahina any Inde ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra ho avy izao ny fifaninanana iraisam-pirenena mikasika ny fanamboarana robot karakarain’ny “Indian Institute of Technology de Mumbai”.

 

 

 

 

 Tafiditra ao anatin’ilay hetsika Techfest ny fifaninanana,  hetsika izay anisan’ny goavana indrindra eo amin’ny fikirakirana ny teknolojia vaovao any Azia. Anisan’ny mandray andraikitra feno amin’ny fandefasana azy dimy mirahalahy ireto any Inde ny orinasam-pifandraisana Airtel. Mbola izy ireo ihany koa no niantoka ireo tanora Malagasy nandray anjara tamin’ilay fifaninanana  First Global Challenge natao tany Mexico Whasington, volana vitsivitsy lasa izay. Tanjon’izy ireo ny hahafahana manohana sy mikarakara tanora Malagasy manan-talenta tahaka izao hahafahany mivelatra amin’ny fiainana, indrindra hitondra avo ny anaram-boninahitr’i Madagasikara. Tsara ny manamarika ho azy dimy mianadahy ireto fa maro amin’izy ireo no efa nibata karazana amboara tamin’ny ezaka nataony. Ho an’i Irina Razafiarison 20 taona sy  Diamondra Rasoamanana 19 taona ohatra dia efa nahazo medaly  alimo avokoa izy ireo tamin’ilay  fifaninanana  First Global Challenge nandraisany anjara tamin’ny taona 2017. 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT