INSPNMAD Transit et Douane

Namoaka manam-pahaizana 132 mianadahy


  • Alatsinainy 25 Martsa 2024

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny andiany Finaritra,

mpianatra mpikaroka momba ny fadin-tseranana sy ny fanafarana na fanondranana entana eo anivon’ny sekoly ambony tsy miankina INSPNMAD Transit et Douane etsy Ambaranjana. Diplaoma karazany miisa 3 no navoaka, hoy ny fanazavan’i Dr Randrianasolo Jean De Dieu, tale pedagojika eo anivon’ity sekoly ambony ity, dia ao ireo nahazo ny «Diplôme de technicien en droit et technique des affaires». Ny faharoa dia ireo nahazo «Diplôme de technicien supérieur en transit et douane». 85 mianadahy no nahazo azy. Ny «Diplôme de licence en marketing et commerce international» dia mpianatra miisa 46 no nahazo azy. 132 mianadahy izany no manam-pahaizana nahazo diplaoma vaovao. Hisy ireo mbola hanohy fianarana ary hisy ireo hiatrika tontolon’ny asa avy hatrany. Hisokatra ny diplaoma Master I sy Master II ho an’ny dingana «Marketing et commerce international». Hiditra amin’ny talata 8 aprily ireo fa efa misokatra ny fisoratana anarany. Mifototra amin’ny olona manontolo ny fanabeazana eto anivon’ity sekoly ambony ity. Eo ny fahalalana ara-tsaina omena ny mpianatra. Any am-pianarana iny fa eo indrindra koa ny fanabeazana mahaolona manontolo, indrindra, ny ara-panahy. Tsy hisy zavatra manjary rehefa misaraka amin’Andriamanitra. Fanamby apetraka ny hoe tsy misy tsy an’asa na «Chômage 0». Mitrandraka mafy miaraka amin’ny mpianatra sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny ambasady frantsay sy amerikanina ary orinasa maro izahay amin’ny famoronan’asa na fandraharahana. Ofanina hamorona asa ho an’ny tenany, ny fianakaviany, ny fiarahamonina ireo mpianatra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT