Fampianarana

INFP Mahamasina Nizarana sakafo maimaimpoana ireo traboina


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Nizarana sakafo maimaimpoana ireo olona traboina voatery nalana tamin’ny tranony teny Ampamarinana, vokatry ny fianjeran’ny vatobe. Miisa 81 izy ireo ka 24 amin'ireo dia ankizy avokoa.

 

 

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin'i Rija Tram malagasy  mila ravinahitra any ivelany no nahatonga ny hetsika. Raha tsiahivina, nanao antso avo tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ny mpiara-belona mba hanampiana ireto traboina ireo. Nanohana izany avy hatrany i Rija Tram ka  i Elie Lohan no nosafidiany hitantana ny vola  nalefany izay mitentina 10 000 000 Ar. Nosafidian'i Elie Lohan hikarakara ny sakafo kosa i tatie Noely ao amin’ny fandaharana Ny ho aviko amina vata fahitalavitra iray eto an-drenivohitra. Mbola hitohy eny amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka ny hetsika amin’ny alarobia ho avy izao  ka olona miisa 92 indray no hofahanana. Tsiahivina fa misy amin’ireo ankizy 24 no kamboty sy tsy afa-mianatra intsony. Horaisin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra  ny fandraisana an-tanana azy ireo hahafahana miverina manohy ny fianarany indray.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT