Hetsika politika atao eny Ankatso

Tsy nandrenesam-peo indray ny filohan’ny oniversite


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Tsy nisy fisalasalana omaly ny namoahan’ny serasera iray manohana ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany faha 2,

Lanto Rakotomanga, fampitam-baovao fa noho ny fandaminana izay tsy maintsy natao tamin’ireo tomponandraikitra maro samihafa dia hahemotra ny 14 oktobra 2023 hoavy izao ny fihaonambe nokasaina hatao ny 30 septambra 2023 ary eo amin’ny kianja filalaovam-baolina eo Ankatso ihany izany koa ialana tsiny indrindra amintsika rehetra izany fiovana izany. Marihina, hoy hatrany ny serasera, fa efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezankevitra io fotoana io koa inoana fa hanatsara ny fihaonana izany. Amin’ny anaran'ny mangaraharaha ankehitriny no mampametra-panontaniana hoe nomen'ny oniversite alalana hanaovana hetsika politika ve ity antoko ity? Moa ve tsy anatin’ny faritry ny oniversite ny faritra voalaza? Maninona no tsy manao fanambarana toy ny ataon'ny Tafita mikasika ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena izay kasain’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 hamoriam-bahoaka ny zoma izao koa ny oniversiten’Antananarivo? Inona indray izany no hambaran’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo entina hanazavana izao toe-draharaha izao? Tsy tokony hitondra fanazavana koa ve ny CENI izay lazaina fa vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana mahakasika ny hoe isan’ny toerana nofaritana ho azo anaovana propagandy koa izany ny kianja filalaovam-baolina eny Ankatso na tsia saingy…? Anaty lisitry ny toerana azo anaovana propagandy koa ve izany io kianja io nefa ny “conseil scientifique” na filankevitra siantifika vao ny 25 septambra teo vao nanapaka fa hofaranana ny 31 oktobra ny taom-pianarana 2022-2023, izany hoe miverina ny “activités pédagogiques” na ny fampandehanan-draharaha rehetra eny amin’ny oniversite? Tsy efa tena porofo mitohoka amin’ny tenda mikasika ny tsy firaharahan'izao fitondrana izao ny fampianarana sy fanabeazana eto amin’ny firenena ve izao? Maro be ireo fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao manoloana ny toe-draharaha. Tao ireo niandry fa anton’ny fanemorana ny mikasika ny amin’ny tokony hanovana ny toerana hanatontosana ilay fihaonambe saingy tsy izay moa no nitranga. Fendrangarangana fahefana ve sa fihatsiana? Tsy nandrenesam-peo indray koa moa ny filohan’ny oniversite.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT