HERISETRA ARA-TSAINA ANY AN-TSEKOLY

Ny 58%-n’ny ankizy no miaina izany


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Ny 57,3% amin’ireo dia ankizilahy kely avokoa raha ankizivavy kely ny 46,3%. Miantomboka amin’ny fanomezana anaram-bositra izany raha araka ny fanazavan’ny ONG Omena, fikambanana iraisam-pirenena miady amin’ny herisetra ara-tsaina, mitohy amin’ny figafiana sy ny fifosafosana ary mety hihafara amin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Lasa miaina ilay fiasan-tsaina lalina na depression ilay ankizy lasibatra aorian’izany, tsy mazoto mianatra intsony ihany koa raha misy mamoy fo mihitsy ny sasany. Mety ho raisin’ny Ray aman-dReny ho zavatra madinika toy ny adin’ankizy tsotra izany amin’ny ankapobeny raha araka ny fanazavan’ny Ong Omena hatrany nefa dia tena manapotika ny maha-olona ilay ankizy mihitsy no sady manimba ny ho aviny. Antony nanaovan’ity ONG ity hetsika fampahafantarana momba ny herisetra ara-tsaina tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina izany ny Sabotsy 19 Oktobra lasa teo, niarahana tamin’ireo manam-pahaizana maro samihafa manana traikefa amin’izany. Tanjon’ity ONG ity ny hampihena na hanafoana mihitsy ny fanaovan’ny ankizy na olona sasany herisetra ara-tsaina amin’ireo akaiky azy amin’ny alalan’ny fahaizan’izy ireo mifehy ny fihetsem-pony. Tsiahivina moa fa mankalaza ny faha-5 taonany ny Ong Omena.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ong Omena nitafa tamin’ny mpanao gazety !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT