HERISETRA ANY AN-TSEKOLY

Ny 58%-n’ny mpianatra Malagasy no efa lasibatra


  • Zoma 02 Mey 2025

Ny 58%-n’ny mpianatra Malagasy no fantatra fa efa lasibatry ny herisetra an-tsekoly.

 Ankoatra ny herisetra ara-batana dia maro ireo miaina herisetra ara-tsaina raha araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Fikambanana « Stop harcèlement scolaire » izay efa nijoro teto amintsika efa ho 12 volana izao. Anisan’izany ny fitsikerana ny tsy mety eny amin’ny vatan’ny ankizy iray, ny fametahana anaram-bositra mifandraika amin’izany, ny figafiana, ny fangalarana ny fitaovany…. Tsy mora anefa ny miaina izany tranga izany raha araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana hatrany. Mety hampalaina ilay ankizy tsy handeha hianatra intsony mantsy izany. Misy koa ireo mety hamoy fo mihitsy ka mihafara amin’ny famonoan-tena….Miezaka mandray an-tanana ireo ankizy tratry ny herisetra any an-tsekoly noho izany ny Fikambanana. Manana psikology afaka mikarakara sy manarina ny sain’ireo ankizy lasibatra ihany koa izy ireo, raha araka ny fantatra. Manana pejy ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook moa izy ireo hahafahana mifandray amin’ireny karazan’ankizy ireny dia ny « Stop harcèlement scolaire Madagascar » izany.
Pati
Legende : Miaina ao anaty herisetra avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT