Fampianarana

Herinandron’ny ENS Ampefiloha Nafana ny hetsika ara-panatanjahantena omaly


  • Zoma 30 Novambra 2018

Tsy mpampita fahalalana fotsiny ihany ny mpampianatra, hoy i dokotera Ramanambelo Mariette, talen’ny sekoly ambony ENS etsy Ampefiloha fa manabe sy mikolokolo olona ihany koa.

 

 

 

Noporofoin’izy ireo izany omaly tamin’ny alalan’ny hetsika ara-kolontsaina sy ny fanatanjahantena maro samihafa. Filaharambe niainga tetsy amin’ny lisea maoderna Ampefiloha no nanamarihan’izy ireo izany nihazo ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nifarana teny amin’ny foiben-toerana misy azy ireo. Narahin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro samihafa izany izay hofaranana amin’ny famoahana mpianatra miisa 365 anio zoma. Ny 300 amin’ireto farany no hotolorana ny maripahaizana “licence” raha “master” kosa ny 65 ambiny. Ireo mpianatra ho mpampianatra no handrindra sy hitantana ny fiaraha-misakafo aorian’izany izay nomarihin’ny talen’ny ENS hatrany fa tafiditra ao anatin’ny fampianarana azy ireo hahay hitantana avokoa. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny herinandron’ny sekoly ambony ENS avokoa izany rehetra izany izay efa nosantarina ny talata lasa teo.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT