Fampianarana

Hanitriniala Fanantenana Nanampy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra marefo


  • Talata 21 Martsa 2023

Namaly ny antson’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fianakavian’ilay tale notorian’ny mpampianatra sasany ka nigadra vonjimaika eny am-ponja ny solombavambahoaka Naivo Raholdina,

hoy ny fampitam-baovao voaray. Taorian’ny fanampiana nataon’ny vadiny, Hanitriniala Fanantenana, ireo ray aman-dreny tena marefo sy sahirana ary mahantra no nanao antso ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny fitsarana ny solombavambahoaka mba hijery akaiky ny toe-javatra misy ao satria ataon’ny mpampianatra sorona ny mpianatra ka rehefa te hampianatra izy dia mampianatra, rehefa mitaky izay tale tiany izy dia mitokona nefa efa mandeha ny fanadinana ny mpianatra. 2235 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny CEG Nanisana ka tsy hanaiky intsony atao sorona amin’ny fitadiavan- tseza ataon’ireo mpampianatra sasany ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, sy ireo ray amam-drenin’ny mpianatra ka miantso ny minisitry ny fanabeazam-pirenena handray fepetra amin’ireo mpampianatra sasany tsy mety miasa. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no manery ny tale fa tsy ny mpampianatra sy ny mpandraraha, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT