Fampianarana

Haifitaterana sy fadin-tseranana “Mbola malalaka ny tsenan’asa eto amintsika”


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Espace Fenitra By pass ny andiany

 “Kintana” amin’ireo mpianatra nandranto fianarana momba ny haifitaterana sy fadin-tseranana na “transit et douane” teo anivon’ny sekoly ambony tsy miankina INSPNMad. Miisa 74 ireo nahazo ny diplaoma DTS na Bacc+2 ary 56 no nahazo ny Bacc+3 na licence, hoy ny fanazavan’I Andrianarimahatratra Tolojanahary Andoniaina Alita, tomponandraikitry ny varotra sady mpampianatra eo anivon’ity sekoly ambony ity. Izany hoe mpianatra miisa 130. Ireo misehatra eo amin’ny fanondranana sy fanafarana entana izay nianatra teto Antananarivo ireo navoaka ireo. Ireo nahazo ny DTS moa mbola mila manohy ny fianarana natao fa ireo nahazo ny licence kosa dia efa afaka miditra amin’ny sehatry ny asa. Nanao fizaran’asa ireo fony izy taona faharoa ka noho izany dia efa afaka miasa amin’ireo toeram-piasana nanaovany fiofanana. Misy koa moa ireo sasany eo an-dalam-pitadiavana asa. Tokony ho sehatra mora ahitana asa hatrany amin’ny ankapobeny ity lalam-piofanana ity satria mbola malalaka eto amintsika ny tsenan’ny fanafarana sy fanondranana entana. Tsy tokony hanan-tahotra amin’ny fitadiavana asa noho izany ireo tanora niofana momba izany. Ho anay eto amin’ny oniversite moa dia mbola raisinay an-tanana ny fitadiavana asa ho azy ireo amin’ny alalan’ireo orinasa mpiara-miasa aminay, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT