Hafatry ny depiote Alain Ratsimbazafy

Aza avela ho faty ilay afom-pitiavana ao anatinareo mpianatra


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

ho an’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy, voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Nanatanteraka hetsika tao amin'ny Lisea Joseph Ravoahangy Andrianavalona , Kaominina Andranonahoatra ny tenany omaly Talata 26 Martsa ho fankalazana izay tolom-panafahana 29 Martsa 1947. Lohahevitra novoizina tamin'izany ny hoe
Tolom-panafahana, fitiavan-tanindrazana , no fototry ny fampandrosoana.
Hafatra nampitainy tamin'ireo zandry, mpianatra ankehitriny araka izany ny hoe Aza avela ho faty ilay afom-pitiava-tanindrazana misy ao anatinareo, fa ny ray aman-drenintsika aza efa nahafoy ny ainy ho antsika aty aoriana, koa mitsangana ry tanora, aza manana ahiahy,...Ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano moa no nosafdian’ny Ministeran'ny fanabezam-pirenena sy ny Ministeran'ny foloalindahy nanatanterahana ny hetsika tamin’ity taona 2024 ity. Mpianatra marobe no tonga nanome voninahitra ity fotoan-dehibe natao teny amin’ny EPP Andranonahoatra ity omaly.

Pati

Legende Ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy teo afovoan’ireo mpianatra teny amin’ny lisea Andranonahoatra omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT